Ejeda VertIvotoerana ADES EjedaEjeda

Ejeda atsimo
Tel +261 32 05 411 70
Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser., Toerana ahitana azy

Ejeda vertToerana fambolen-kazo ny ivotoerana Maitso

Ny taona 2006, nanangana ny ivotoerana teto Ejeda faritra atsimo ny Madagasikara ny ADES, izay toerana ifamezivezen’ny olona avy eny amin’ny manodidina rehefa tsena. Tena mahantra io faritra io ary maina ny tany any, miadam-pitombo ny ala ka sarotra voasolo ary tena iharany trindry ny hain-tany.

Satria ny mponina efa zatra ny fomba fandrahoana  manara-penitra mitsitsy sy ekolojika ary mampiasa fatana masoandro na mitsitsy avokoa,  dia nanampa-kevitra nampiato ny fanentanana sy varotra tao Ejeda ny ADES tamin’ny taona 2016. Ireo olona tsotra mpivarotra no manohy mivarotra ny fatana any an-toerana.

Ejeda SetzlingeZana-kazo vonona hambolena

Ny ADES sy ny vahoaka eny amin’ny manodidina dia manohy ny tetikasa fambolen-kazo, natomboka ny taona 2010, ny asa sahanin’ny Ivotoerana Maitso dia : fanaovana zaridaina botanika, toerana fambolen-janakazo ary fizarana masom-boly sy zana-kazo ho volena.

team ejedaEkipan'ny ADES eto Ejeda

Andriamatoa Loubien ANDRIANANTENAINA, Tomponandraikitry ny ivotoerana maitso dia mitarika sy manoro hevitra ireo tetikasa fambolena zana-kazo any amin’iny faritra iny, manome zana-kazo ho volena. Niofana momba ny Biolojia, izy dia mampita ireo fahalalana ananany momba ny biby sy ny zava-maniry eo amin’ny toerana onenany amin’ireo mpanabe sy mpianatra eo amin’ny faritra, ary manentana azy ireo hiaro ny natiora manodidina azy.

Toerana ahitana azy Ejeda

MapEjeda

Please publish modules in offcanvas position.